Sport

Baolina kitra any Bongolava Anio talata vao tena hotanterahina ny fifidianana ligy


  • Talata 23 Oktobra 2018

Anio talata 23 oktobra 2018 vao tena hotanterahina ny fifidianana mpitantana ny rafitra ligim-paritry ny baolina kitra any Bongolava fa omaly alatsinainy 22 oktobra kosa dia ny fifidianana filohan’ny

seksion’i Tsiroanomandidy izay nampisy disadisa be tany an-toerana no naverina notanterahina ka lany hitantana an’ity seksiona ity Atoa Rajoroarisera Antoine nahazo vato 13/1 tamin’ireo mpifidy niisa 14 tonga nandatsa-bato tamin’ireo 21 voasoratra anarana.

Ity seksion’ny baolina kitran’i Tsiroanomandidy ity sy ny seksion’i Fenoarivobe no fantatra fa hifidy indray an’ireo mpitantana vaovaon’ny ligin’ny baolina kitra any Bongolava anio.

Azo inoana fa hivoaka tsy ho ela ny daty vaovao hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra” sy ireo mpikambana mpanatanteraka ao aminy rehefa mivoaka ny voka-pifidianana any amin’ity ligin’i Bongolava ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT