Sport

Baolina kitra any Amoron’i Mania Mitohy ny dingana faha-2 fiadiana ny ho tompondaka


  • Zoma 11 Mey 2018

Tontosa tamin’ny alahady 6 mey teo ny fanombohan’ny dingana faharoa eo amin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Amoron’i Mania eo amin’ny taranja baolina kitra diviziona nasionaly.

 

Vokatra azo tany Fandriana : Fc Az Fandriana 1 – 1 Ai 200 Ambositra. Tany Ambatofinandrahana : Fc Bemaha Soavina 4 – 0 Fc Paramed Ambositra.

Anio zoma 11 mey 2018 no miditra amin’ny andro faha-2 amin’ity dingana faharoa ity ny fifaninanana.

Any Fandriana : Fc Real Ambatofinandrahana # Ai 200 Ambositra

Any Ambatofinandrahana : Rc Daxe Fandriana # Fc Bemaha Soavina

Andro faha-3 alahady 13 mey 2018.

Any Fandriana : Fc Real Ambatofinandrahana # Fc Az Fandriana

Any Ambatofinandrahana : FC Daniel Ambositra # Rc Daxe Fandriana

Marihana fa ny 20 mey 2018 no hanatanterahana an’ireo lalao ankatoky ny famaranana any Ambositra ary ny 27 mey ao amin’ity tanàna ity ihany no hanatanterahana ny lalao famaranana ka ahitana izay hisolotena ny ligin’Amoron’i Mania any amin’ny Champion’s League Malagasy 2018.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT