Noho ny nanatanterahan’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ny hetsika « lalaon’Iarivo » tamin’ny farany herinandro teo dia tany amin’ny kianjan’i Carion avokoa no notontosaina ireo lalao tafiditra amin’ny andro faha-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga ny faran’ny herinandro lasa teo.
Nisongadina tamin’izany ny faharesen’ny As Adema fanindroany indray raha nikatroka tamin’ny Mama Fc 1-2 ka mampijanona hatrany ny ekipan’ny Elgeco Plus nandavo ny Cosfa 1-0 ho eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika. Azo lazaina fa mizotra mankany amin’ny fandrombahin’ity ekipa indray ny anaram-boninahitra ho tompondakan’Analamanga taona 2018 ny tranga misy ka miankina indrindra amin’ireo voka-dalao amin’ny andro faha-14 hotontosaina rahampitso sabotsy any Cario sy etsy Mahamasina izany
Fandaharan-dalao andro faha-14 amin’ny 28 aprily 2018 :
Mahamasina : 10:00-Tanà Formation # Uscafoot ; 12:00-Elgeco Plus # Cosfa ; 14:00-Mama Fc # As Adema
Carion : 09:00-Fosa Juniors Tanà # Cospn ; 11:00-Cnaps Sport Tanà # Mi 20 Fc.
Vokatra rehetra tamin’ny andro faha-13 :
As Adema 1 – 2 Mama Fc
Cosfa 0 – 1 Elgeco Plus
Uscafoot 4 - 4 Tanà Formation
Mi 20 Fc 2 - 3 Cnaps Sport Tanà
Cospn 2 - 4 Fosa Juniors Tanà
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.