Sport

Baolina kitra Analamanga Ligue 1 Miditra an-tsehatra amin’izay ny Elgeco Plus


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Hanatontosa an’ireo lalao tsy vita tamin’ny andro voalohany sy faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligue 1 ao aminy anio alakamisy 10 janoary sy amin’ny alahady 13 janoary 2019 ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga.

 

 

Anio alakamisy dia hiditra an-tsehatra amin’izay eny amin’ny kianjan’i Carion ny ekipan’ny Elgeco Plus tompondaka farany rehefa avy niatrika ny fifaninanana Afrikanina   ka hikatroka amin’ny ekipa tanora dia tanoran’ny Five Fc avy eny amin’ny Boriborintany faha-5 eto Iarivo tarihan’ny mpanazatra Navalona izay tanora dia tanora ihany koa. Sambany koa ity ekipan’ny Five Fc ity vao hilalao eo anivon’ity Ligue 1 Analamanga ity fa tany amin’ny D-2 izy ireo tamin’ny taon-dasa izao niakatra dingana avo  lenta izao. Tsy hikely soroka izahay hifampitana amin’ny Elgeco tompondaka farany, hoy i Navalona na dia efa voky traikefa aza izy ireo satria ny baolina kitra tsy « calcul » na « mathématique ». Lalao 3 kosa no harahina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny alahady 13  janoary : 10:00-Cosfa # Cf Tfc ;  12:00-Cospn # Tana Formation-Cffa ; 14:00-Uscafoot # Elgeco Plus.

Miroso amin’ny  fampilalaovana mpilalao tanora kosa ny Elgeco Plus, araka ny nambaran’i Bob « Robson Hubert » mpanazatrany,  ka nampiakatra mpilalao 5 avy any amin’ny D-2 ao aminy hanampy an’ireo efa ao amin’ny Ligue 1. Mbola hoeritreretina aza ny haka mpilalao tanora vitsivitsy avy any amin’ny Faritra hanatevin-daharana ny ekipa D-1 anay io any amin’ny fiatrehana ny fifaninanana nasionaly any.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT