Sport

Baolina kitra Analamanga Ligue 1 Lavon’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Uscafoot


  • Talata 15 Janoary 2019

Tontosa ny alahady 13 janoary 2019 teo tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny andro faha-2 tsy vita tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga ligue 1 eo amin’ny taranja baolina kitra.

 

 

 

 Tamin’ity fihaonana tamin’ny alahady ity no niakaran’ny ekipan’ny Elgeco Plus fanindroany an-kianja indray ao anatin’izao fifaninanana izao na dia vao ny alakamisy 10 janoary teo aza izy no nikatroka  tamin’ny ekipan’ny Five Fc. Nibata fandresena voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga 2019 ity ny Elgeco Plus fa nandavo ny Uscafoot tompon-jaridaina tamin’ny moka fohy 3-2.

Ireo vokatra hafa  azo :

Cosfa 2-0 Cf  Tfc ; Cospn 1-0 Tana Formation

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT