Sport

Baolina kitra – Analamanga D-2 Voahosotra ho tompondaka ny CNaPS Analamanga


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Tontosa omaly alahady 20 aogositra ihany noho ny farany ny lalao fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja baolina kitra sokajy D-2.

  Voahosotra ho tompondaka D-2 2017 eto amin’ny ligin’Analamanga ary ny ekipan’ny CNaPS Analamanga rehefa nandresy ny Fosa Junior Analamanga 1-0 tany amin’ny fanalavam-potoana. Marihana moa fa ireto ekipa ireto dia efa samy miakatra D-1 daholo amin’ny taom-pilalaovana ho avy ary mbola samy miatrika ny Telma Coupe de Madagacar avokoa. Teo  amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga izay ihany saingy eo amin’ny sokajy U 17 dia resin’ny Fosa Junior Analamanga 1-0 ny St Michel Amparibe. Teo anelanelan’ireo lalao roa ireo tetsy Mahamasina dia nisy ny lalao 1/32-ndalan’ny Telma Coupe de Madagasikara izay nivoahan’ny As Adema Analamanga ho mpandresy 8-0 nanoloana ny ekipan’ny Piment Vert Atsinanana.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT