Sport

Baolina kitra Analamanga ankatoky ny famaranana D-1 Ny As Adema sy ny Cosfa no tafavoaka ho mpandresy


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Ny As Adema sy ny Cosfa samy nandresy 1-0 avy an’ny Mama Fc sy ny Uscafoot no tafavoaka ho mpandresy tamin’ireo lalao manasa-dalana 2 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra eto

 

Analamanga sokajy D-1 notontosaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly alahady 17 febroary 2019. Izy ireo, araka izany, no hiatrika ny lalao famaranana amin’ity fifaninanana ity izay hotontosaina etsy Mahamasina ihany amin’ny alahady 24 febroary 2019 ho avy izao. Marihina fa tany amin’ny fanalavam-potoana vao hita izay mpandresy teo amin’ny As Adema sy ny Mama Fc omaly.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT