Sport

Baolina kitra - Amboaran'ny CAF Tafita amin’ny dingana manaraka ny FOSA junior


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Tafita amin'ny dingana manaraka dia ny 1/16n-dalana bis amin’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF indray ny ekipan'ny Fosa Juniors Malagasy avy any Boeny raha nandresy ny ekipan'ny Aspl 2000 Maorisianina 1-0 tao amin'ny kianja Rabemananjara Mahajanga izay hipoka tanteraka omaly alahady 18 martsa 2018 teo amin'ny lalao miverina.

Efa nandresy 2-0 tamin’ny lalao mandroso tany Maorisy ny Fosa Junior ny 7 martsa lasa teo. Baolina matin'i Jean Yves teo amin'ny minitra faha-63 no niantoka an'io fandreseny io. Mety hifanandrina amin'ny ekipa Maoritanianina na ekipa Sodaney izy ireo mialoha ny hiatrehana ny lalaom-bondrona raha tafita eo. Ny 6 aprily ho avy izao ny lalao mandroso amin'io 1/16-ndalana Bis io any Mauritanie na any Soudan ary ny 16 na 17 na 18 aprily kosa ny lalao miverina eto Madagasikara. Marihina fa nisy baolina nanakobana ny haraton-dry zareo Aspl teo amin'ny minitra faha-48 nefa nolavin'ny mpitsara ny lalao fa niditra avy eny amin'ny "petit filet" an'ny tsatoby nandrasan'i Annick Makoa ny baolina mafy nodakan'i DAX kapitenin'ny Fosa ka nandrovitra ny haraton'ny tsatoby tao Mahajanga.

Ntsoavina Evariste (Iraka manokana tany Mahajanga)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT