Baolina Kitra Amboaran'i Madagasikara

Tafita any amin'ny manasa-dalana ny Inate sy ny CFFA


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Ny mafy dia mafy ihany. Izany no azo hilazana ny fandresen'i Inate FC Rouge ny sabotsy

teo tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus nanoloana ny Uscafoot. Niady ihany ny baolina saingy ho an'Antsirabe teo amin'ny lazon'ady satria tany amin'ny fanalavam-potoana no nampiditra ny baolina tokana ny Inate. Teo amin'ny lalao faharoa natao omaly indray dia resin'ny CFFA 2 noho 1 ny Zanakala izay azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra. Efa nisy baolina faharoa matin'ny Zanakala aza fa voadona i Mika mpiandry tsatokazo dia nolavin'ny mpitsara izany. Tsy nisy nokianina rahateo ny fitsarana nataon'i Andofetra Rakotoarijaona fa tena nanao ezaka lehibe izy aloha hatreto. Ny CFFA no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Anito "Mota" (23) saingy nosahalan'ny Zanakala izany raha vao nanomboka ny fidirana faharoa. Mbola nahafaty indray anefa Andoharanofotsy ka io isa 2 noho 1 io no nisarahana. Na izany aza dia mbola mitohy ny dianlny Zanakala izay vao nanilika ny AS Fanalamanga nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara izay karakarain'ny CFEM.
Ireo ampahaefa-dalana roa kosa dia ho tontosaina ny 12 sy 13 jona satria manana mpilalao voatazona any amin'ny Barea ny ekipa roa. Nina izay Elgeco Plus ary Tendry sy Andy indray dia mpilalaon'ny Disciples. Marihina moa fa tsy maintsy tongz any amin'ny CAF mialohan'ny 30 jona ny anaran'ireo klioba tompondaka sy tompon'ny Amboara .
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT