Baolina Kitra - Amboaran'i Madagasikara

Tafita amin'ny manasa-dalana ny Disciples


  • Zoma 14 Jona 2024

Notontosaina omaly tetsy amin'ny By Pass ny ampahaefa-dalana fahatelo ny Amboaran'i Madagasikara.

Nandresy 2 noho 1 ny Disciples FC nanoloana ny Fosa Juniors izay tapi-dalana kaleha aloha aminity taom-pilalaovany ity rehefa nihintsana tany amn'ny Coca Cola PFL. Na dia teo aza ireo nampalaza ny Fosa toa an'i Dax, Donga, Andry Max,. Feli sy Veve dia tsy nahasakana ny Disciples tsy handresy izany. Vao maraina be (16) mantsy dia matin'i Faniry ny baolina. Mbola sarotra ho an'ny Fosa ny tohiny raha nivoaka nahazp karatra mena i Haja mpiandry tsatokazo taorinan'ny sakoroka nisy teo aminy sy i Tinoh izay nivoaka koa. Samy nilalao folo izany ny roa tonta ary nihevitra ho afaka ny Fosa raha matin'i Arissa ny baolina (90+1) kanjo mbola matin'i Bôlô indray ny baolina faharoa ho an'ny Disciples (90+2). Hidona amin'ny CFFA amin'ny manasa-dalana ny Disciples. Fa mandra-piandry aloha dia ny Zanakala no hihaona aminlireto Disciples ireto ny alahady izap ao Ampasambazaha. Mbola tantara hafa koa satria malaza mahery an-tanana ry leka ireto. Amin'ny alahady izay mifankahita.
Clément RABARY
Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT