Sport

Baolina Kitra - Amboaran'i Madagasikara Saika nidiran-doza ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Izay no maha amboara ny amboara. Raha noheverina fa ho afaka mora foana ny Fosa Juniors nanoloana ny FC

Rouge ny sabotsy teo teny Ambohidratrimo dia tst izay no niseha fa tena nanohitra ireto solontenan'Analamanga ireto. Nosahalain'i Dadamanga ilay mpanafika tao amin'ny CNaPS Sport fahiny mantsy ny isa ka tena fanina ny Fosa izay voatery nilalao folo taorian'ny karatra lena azon'u Lexa . Tonga tany amin'ny fanalavan-potoana indray anefa dia nahafaty baolina indray i Veve (94) nefa dia nahazo karatra mena ihany koa Nilaolao sivy izany ry zareo Mahahanga saingy ny vitana no tsy nisy ho an'ny FC Rouge Na izany aza dia mendri-piderana ireto farany nahavita nzmpitahotra ny Tompondaka eto Madagasikara. Ny marina anefa dia mpilalao tranainy ireto FC Rouge ireto satria ankoatra an'i Eric Dadamanga dia tao ko Tojo Kely CNaPS, Johnny Be Elgeco ary Rajao Adema Tany Antsirabe indray dia nandresy 4 noho 3na dia sahirakirana aza ny Disciples FC nanoloana ny CJM Androy ny sabotsy teo. Baolina roa no matin'i Dahery (24 sy 47) raha iray avy no matin'i Coka sy Liva. Tany Toamasina indray dia nataon'ny Fanalamanga nahamay ny FC Kakambary. Tsy nijanona ny isa teny amin'ny tabilao raha tsy 7 noho 1. Teny Carion dia afaka mazava ny MAMA raha nandresy ny AS Comato tamin'ny isa 3 noho 1. Nazeran'ny ASA Nosy Be tao antananany tao Mahajanga ny Tsaramandroso Formation. Isa 3 noho iray no nidarahan'ny roa tonta Ny CFFA indray dia nanilika ny EFCA Mi 20 izay tsy nahay nararaotra rehefa nivoaka i Bonnard fa nahazo katatra mena. Nandresy 2 noho 0 moa Andoharanofotsy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT