Sport

Baolina kitra- Amboaran'i Madagasikara Nangoron-damba ny Pro League fito


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Zava-doza tamin'ny klioba ao anaty Pro League iny 1/16 iny. Fito tamin',ireo heverina ho sangany mantsy no nihintsana.

Na nanitsana tena toy ny 3FB Toliara izay niala an-faharana nanoloana ny AS Comato. Toy izany koa ny Zanakala izay resy tsy niady nanoloana ny ASJM Ireo dimy ambiny dia resy teny ambony kianja toa ny USCAFOOT izay nataon'ny FC Rouge nitera-mena 1 noho 0. Resin'ny FC Mahavatsy taorian'ny fandakana penalty 1 noho 1 (3 noho 2). Isa 2 noho 1 koa no nandresen'ny EFFCA Mi 20 ny COSFA raha nataon'ny Kakambary nahitana kintana indray koa ny JET tamin'ny isa mavesatra 4 noho 0. Nifoifoy volo kosa no Dato vao nandresy ny Réseaux Fort 1-1 (4 pen noho 3). Ny Elgeco Plus no nahatafiditra baolina betsaka indrindra tamin'ity 1/16 ity satria dia nataony 8 noho 0 ny Kinga Sport. Nahazo gana malemy ry Elliot sy Zola ary Dôddy Nomontsan'i ASA Nosy bekoa ny FC Landric (5 noho 1). Eo amin'izay famonoana baolina izay dia laharana fahatelo ny Disciples FC raha nandresy 4 noho 0 ny FOMELA Ambalavao. I Coka no nahavita poa-,tsatroka (hat tricks) raha i Tendry no namono ny bsolina fahaefatra Ajesaia nandresy 2 noho i ny US Pro raha 3 noho 2 no nandavon'ny Fanalamanga ny CFFA Espoirs. Ny CFFA kosa dia nanilika ny Net Foot tamin'ny isa 2 noho 0.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT