Sport

Baolina Kitra- Amboaran'i Madagasikara


  • Talata 18 Jolay 2023

Tampina ny daomy ho an'ireo ekipa kely !

Tsy misy afatsy ekipa avy ao amin'iny Pro League no hiatrika ny ampahaefadalana eo amin'ny fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara. Izay mihintsy angamba no tiana hatongavana hoe ny lehibe ihany no lehibe matoa tsy nandalo antsapaka ireo mpifanandrina fa samy nahazo gana malemy ireo Na izany aza dia misy azo raisina (fa tsy mitombona) ireo ekiipa kely na dia tampina aza ny daomy. Ohatra voalohany amin'izany ny nitazonan'ny FC Rouge ny Fosa Jiniors teny Ambohidratrimo. Efa tany amin'ny fanalavan-potoana vao nampiditra ny baolina faharoa i Veve. Tsara marihina anefa fa tsy nahazaka ny fanohanan'ny FC Rouge ihany ny Fosa matoa nahazo karatra mena roa. Ireo anefa no tompon-daka amin'ity taom-pilalaovana ity saingy tsy hita taratra loatra izany fa tsy tazana i Tsiry nefa dia nomerao faha 13. Tsy tao ihany koa na i Jean Yves na i Dax fa angamba mbola reraka vita fety Mampanahy noho izany ny fiatrehina ny lalao any Afrika satria toa ireo tsy nampoizina indray no tena milalao raha tdy hiteny afatsy ireo mpilalaon'ny FC Five taloha dia i Veve sy Feli izany. Fa isan'ny andry hianteherana koa i Andry Max izay vodilaharana ampovoany ary toy izany koa i Lexa na dia nivoaka tsy lera aza izy fa be fo loatra dia nahazo karatra mena. Tsy misy Veve sy Lexa izany ny Fosa manaraka eo saingy mbola tsy fantatra ny hihaona aminy. Raha ny tokony ho izy dia tokony hatao ampahibemaso ny antsapaka sao dia mbola hisy hifidy ASA Nosy Be indray. Nefa maninona moa raha mandray ny lalao any Diego sy Fianarantsoa izay mihaona aminy eo dia mba hiady ny baolina no sady hiditra ny vola satria azo antoka fa ho feno ny kianja. Mandra-piandry aloha dia ireto ireo ekipa valo hiady ny ampahaefadalana. Elgeco Plus Madagascar, CFFA Andoharanofotsy, Fosa Juniors, Disciples FC, MAMA FCA, Ajesaia, AS Fanalamanga sy ASA Nosy Be.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT