Sport

Baolina Kitra Amboaran'i Afrika Nivoaka nandresy ny Elgeco Plus


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Nivoaka nandresy ny Gaborone United 1 noho 0 ny Elgeco Plus ny sabotsy teo tany Botswana. Lalao mandroso eo amin'ny fiadiana ny

amboaran'i Afrika isan-tarika iny fa atao etsy amin'ny Kianja Barea ny lalao miverina. Vokatra tsy nampoizina ihany satria ny Elgeco Plus dia tamin'ny taon-dasa no nandrombaka ny Amboaran'i Madagasikara fa noho ny tsy fahavitan'ny fifaninanana tamin'ity taona ity no nahatafiditra azy hisolotena antsika. Misy miahiahy hoe niniana natao tara ny fifaninanana satria dia fantatra araka ny lalàna mifehy dia ny tompon'ny Amboara farany no mandeha. Azo tsorina anefa fa tsy dia nanao ahoana ny vokatra azon'ny Elgeco nandritry ity taom-pilalaovana ity satria tsy tafiditra tao anatin'ireo nanao ny manasa-dalan'ny Pro League izy fa resin'ny AS Fanalamanga. Manahy ny rehetra fa dia ho dingan'ny savaranonando indray dia hangoron-damba ny Elgeco Plus, saingy soa fa naka an'i Feno izy hampidi-baolina. Ary izay tokoa no nataon'ity lohalaran'ny Ajesaia ity izay tena mahay ary mahagaga fa dia ataon'i Roro Rakotondrabe kitoza miantona rehefa ao amin'ny Barea. Miaraka amin'i Onja ilay Adema taloha ary Dôddy JET i Feno ka mahavita manakorontana. Ny vodilaharana dia misy an'i Datsiry sy Tony eo anoloana an'i Nina ary Benteke sy Tsila no sisiny. Ny Gaborone United rahateo aloha mbola gana malemy fa ny manaraka eo no mila miady mafy. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT