Sport

Baolina kitra Afrikanina Nandresy ny CNaPS Sport, nahatazona sahala ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Azo ambara fa fahombiazana roa sosona no azon’ireo ekipa Malagasy mandray anjara amin’ny fifaninanana Afrikana ankehitriny.

Nandresy ny Kcca Ougadey 2-1 teo amin’ny kianjany teny Vontovorona tamin’ny sabotsy 10 febroary teo, ny ekipan’ny CNaPS Sport solontenantsika amin’ny fifaninanana “Champion’s League Africain 2018” dingana savaranonando lalao mandroso. Tena niezaka mafy ry Ando sy ny namany ka nahatifiditra ireo baolina roa antom-pandresena (Feno 58’ ary Francis 90’+2) ireo na dia ry zareo Ougandey aza no nitarika an’isa teo amin’ny minitra faha-53 tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Derrick. Ady sahala 0-0 dia ampy hahatafita ny CNaPS Sport amin’ny dingana manaraka amin’ny lalao miverina hatao any Kampala Ouganda ny alarobia 21 febroary 2018 izao. Nilaza ny hanome toromarika ny hamonoana baolina an-tanin’olona an’ireo mpilalao anefa ny mpanazatra ny CNaPS Sport, Andriambololona Tipeh.

Nisaraka ady sahala 1-1 tamin’ny Afc Léopard Kenya kosa omaly alahady 11 febroary tao amin’ny kianjan’i Bukhungu Stadium any Kenya. Na dia efa nitarika an’isa 1-0 koa aza ry zareo mpampiantrano dia nosahalain-dRado kely teo amin’ny minitra faha-15. Mbola nisy baolina faha-2 matin-dRado kely koa aza teo amin’ny minitra faha-36 saingy nolavin’ny mpitsara fa hoe “hors-jeux” izany. 0 sy 0 ihany koa amin’ny lalao miverina hotanterahina any Mahajanga amin’ny alarobia 21 febroary dia ampy hahatafita ny Fosa Juniors amin’ny dingana manaraka. Ny mamono baolina anefa no tena azo antoka indrindra.  

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT