Sport

Baolina kitra Afrikanina Misy ahiahina fanodinkodinam-bola tao amin’ny CAF


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Misedra olana indray ny kaonfederasiona Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF).

 

Namoaka antontan-taratasy momba ny fitantanam-bola mampiahiahy ao amin’ity rafitra ity ireo gazety sy filazam-baovao vahiny miteny Anglisy malaza toy ny The New York Times, Associated Press ary ny BBC. Misy tsy mazava ny fampiasana ny vola, raha ny filazan’izy ireo satria ny 5 amin’ireo famoaham-bola miisa 40 nataon’ny CAF ihany no ahitana porofo an-taratasy mazava. Mitotaly 10 tapitrisa dolara ny vola nivoaka, kanefa ny 1,6 tapitrisa dolara ihany no fantatra mazava ny nampiasana azy. Ao anatin’ilay bolongam-bola avy any amin’ny FIFA nomena ny CAF ary natokana hampiroboroboana ny baolina kitra Afrikanina ity ambara fa misy fitantanana tsy mazava ity. Nisy ny fitsirihana (audit) nataon’ny orinasa iray antsoina hoe PwC tao amin’ny CAF ka teo no nahitana ireo zavatra hafahafa momba ny fitantanam-bola. Ahiana ho nisy fanararaotam-pahefana ity resaka ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tsara homarihana anefa  fa antontan-taratasy tamin’ny taona 2015 ireto mampiahiahy ireto, izany hoe nandritra ny fitantanan’i Issa Hayatou, filohan’ny CAF teo alohan’i Ahmad izay voafidy tamin’ny 2017. Efa nisy moa ny 2 febroary lasa teo nandritra ny fivoriana tany Rabat Maroc, ny toromarika ny amin’ny tokony hanamafisana ny fanaraha-maso amin’ny fitantanam-bolan’ny CAF sy ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitantana. Andrasana izay mety hambaran’ny mpitantana ny CAF momba ity vaovao nivoaka ity sy ny mety ho fanazavana fanampiny satria misimisy ihany izay ahiahina fanodinkodinam-bola sy fanamparam-pahefana teo anivon’ny CAF izay.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT