Nifarana teo amin'ny fihodinana faharoa ny lalana ho an'ny CNaPS Sport amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina 2019/2020.
Lavon'ny TS Galaxy 3 no ho 1 teo amin’ny kianjany, tetsy Vontovorona, izy ireo tamin’ny sabotsy 28 septambra 2019 tolakandro teo amin’ny lalao miverina amin’ny fihodinana faharoa amin’ity fifaninanana ity rehefa resy 1-0 ihany koa tamin’ny lalao mandroso, tapa-bolana lasa izay, tany Afrika Atsimo. Nisy fiantraikany be teo amin’ny mpilalaon’ny CNaPS indray ny baolina tafiditr’izy ireo teo amin’ny minitra faha-5 tamin’ity sabotsy ity nefa nolavin’ny mpitsara fa hoe : “hors jeux”. Nilaza ny mpanazatra ny Ts Galaxy, Daniel Malesele, taorian’ny lalao fa “passion” ny an’ireo mpilalaony ny manao baolina kitra ary nahomby ny fianarana norantoviny tany amin’ny Akademia nisy azy ireo. Tany aminay ny CNaPS Sport no tena nilalao, hoy izy, fa tratran’ny “pression” izy ireo teto Vontovorona. Niaiky kosa ny mpanazatra ny CNaPS Sport, Andriambololona Tipeh, fa manatombo tamin’ny lafiny rehetra ny Ts Galaxy Fc izay efa zatra miaraka tanteraka hatrany amin’ny Akademia nisy azy ireo ary izahay kosa mbola nanavao mpilalao maro ka mbola eo am-pandaminana an’izany. Nifarana teo amin’ny dingana savaranonando kosa teo amin’ny fiadiana ny amboran’i Afrika amin’ireo ekipa tompondaka 2019/2020 ny tompondaka Malagasy, Fosa Juniors Boeny, fa resin’ny ekipan’ny Tp Mazembe tany Congo 3-1 ihany omaly alahady 29 septambra 2019 teo amin’ny lalao miverina. Marihana fa mbola 1-1 ny isa teny amin’ny tabilao teo am-pialantsasatra ka mbola tafita ny Fosa raha nahay nitazona an’io isa io hatramin’ny farany saingy ry zareo Mazembe no nahatafiditra baolina roa hafa indray. Mbola afaka hilalao ami’ny playoffs CAF Confederation Cup (25 oktobra - 4 novambra) ny Fosa Juniors FC. Raha tafita amin'io lalao mandroso/miverina io izy ireo dia handray anjara amin'ny lalao isambondron'ny Confederation Cup. Amin'ny 9 oktobra ny antsapaka hahafantarana ny mpifanandrina aminy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.