Sport

Baolina kitra Afrikana Nandresy ny Elgeco Plus, voatana ady sahala ny CNaPS Sport


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Tontosa omaly alarobia teto Antananarivo ireo lalao baolina kitra Afrikanina nandraisan’ny ekipa Malagasy anjara.

 

 Teo amin’ny fifaninanana natokana ho an’ireo ekipa tompondaka notanterahina teny amin’ny kianjan’i Vontovorona dia voatazon’ny Fc Platinum avy any Zimbabwe ady sahala an-taniny 1-1 ny CNaPS Sport solontena Malagasy. Penality nampidirin’i Ando teo amin’ny 64’ ny baolina matin’ny Malagasy izay nosahalain’ny Zimbaboeana teo amin’ny 70’ tamin’ny alalan’i Mandanga. Tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina kosa dia lavon’ny Elgeco Plus tamin’ny 3-1 ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale. Baolina matin’i Nestor teo amin’ny  minitra faha-10 sy faha-55 ny roa tamin’ireo ary tafiditr’i Bela teo amin’ny minitra faha-50 ny iray. Penality matin’i Julio kosa teo amin’ny minitra faha-6 ny baolina tafiditry ny Deportivo Unidad. Manana herizika kokoa hiakarana any amin’ny dingana manaraka, araka izany, ny ekipan’ny Elgeco Plus na dia samy hivahiny any an-tanin’olona aza izy sy ny CNaPS Sport amin’ny herinando ho avy io. Nisongadina ny nanatrehan’ireo mpikambana ao amin’ny Comité de normalisation an’ireto lalao 2 ireto saingy nifampizara roa izy ireo ka ny mpikambana 2 nanatrika teny Vontovorona ary ny mpikambana 2 hafa kosa tetsy Mahamasina.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT