Sport

Baolina Kitra Afaka hanova zavatra ve ireo Filohan'ny ligy vaovao ?


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Nivoaka ny valin'ny fifidianana izay ho filohan'ny ligy vaovao. Hatreto aloha dia mbola tsy novaliana ireo fitarainana mahakasika ny fizotry ny fifidiana.

Ny fanamarihina voalohany dia ny fisian'ireo olom-baovao izay mahatratra 11 amin'ireo 22. Isan'ny misongandina amin'izany ireo tanora toa an'i Anatole Ndriamparany izay efa mpiandry tsatokazon’ny ekipa nasionaly ary voafidy tany Diana. Eo ihany koa i Maeva Portos izay lany tany Boeny. Mbola azo heverina ho vaovao koa i Adolphe Ranasolo tany Itasy sy Tanjona Rakotomarolafy Amoron'i Mania sy Noel Rabibisoa Menabe, ary Jacquot Tabenirana Vatovavy. Ny fanontaniana raha tsorina dia ny hoe: hahavita mametraka federasiona matanjaka sy mahay ve ireo olona ireo sa dia hanara-drenirano hanao tsanga-tanana ka hirona any amin'ireo mpanao politika izay fantatra fa tsy afaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena? Asa aloha izay havoakany fa na ireo filohan'ny ligy taloha koa aza mety hanaraka ny fitsokan'ny rivotra ka hifidy izao olona sady mahay sy mararim-baolina ka hitondra avo ny kitra malagasy. Hatreto aloha dia fantatra fa hirotsaka i Neypatraiky Rakotomamonjy izay minisitry ny Paositra teo aloha izay efa laharana fahatelo tamin'ny fifidianana farany taorinan'i Arizaka Rabekoto Raoul sy Hery Rasoamaromaka. Samy tsy eo intsony moa izy mirahalahy ireto ka mety tsara toerana ihany i Neypatraiky Rakotomamonjy. Mbola ho sarotra anefa ny ady satria mbola misy ireo olona nilomano tao amin'ity kitra ity koa fantatra fa hilatsaka sady mety manana tombony amin'ireo ligy taloha aza. Iza tokoa moa no ligy tsy niaraka tamin'i Stan Rakotomalala izay efa Sekretera Jeneralin'ny FMF an-taonany maro fony nitondra ny Filoha Ahmad. Raha raisina ho tombony anefa izany dia mbola milatsaka hofidiana koa ny filoha am-perinasa Victorien Andrianony. Heno koa fa hilatsaka i Alfred Andriamanampisoa izay efa filoha lefitry ny FMF. Hiady izany ny baolina fa ny hirarina dia ny ahita olona afaka misintona miakatra ity taranja iray ity.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT