Sport

Baolina kitra


  • Zoma 15 Desambra 2017

Hotanterahina anio zoma 15 desambra manerana an’i Madagasikara ny fifidianana ho filoha vaovao hitantana ireo ligim-paritry ny baolina kitra Malagasy.


 Tsiahivina fa miisa 3 ireo Faritra efa nahavita izany fifidianana izany tamin’ny taon-dasa ka tsy mamerina fifidianana intsony dia Anosy, Melaky ary SAVA.

Fantatra ireo ekipa hifanandrina amin’ny solontena Malagasy amin’ny fiadiana ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika taona 2018. Ho an’ny Cnaps Sport  tompondakan’i Madagasikara dia ny Kcca Ougandais no hihaona aminy ary ny Léopard –n’i Kenya kosa ho an’ny Fosa Junior tompon’ny amboara Malagasy.

Hand-ball

Tonga eo amin’ny dingan’ny ankatoky ny famaranana amin’ity zoma 14 desambra ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 sénior lahy sy vavy eo amin’ny taranja hand-ball Malagasy. Marihina fa amin’ny alahady 17 desambra izao no hantanterahana ireo lalao famaranana etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Tour cycliste international de Madagascar 2017

Miditra eo amin’ny dingana faha-8 anio ny fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Tour cyclist international de Madagascar 2017” ka lalana mirefy 91 km mampitohy an’Ambohimahasoa – Ambositra no halain’ireo mpifaninana.  Marihana fa etsy Anosy amin’ny alahady 17 desambra izao no hifarana ity fifaninanana hanjakan’ny Angolais sy Hollandais aloha hatreto.

Rugby

Nambaran’ny Malagasy Rugby tamin’ny alarobia teo teny Ankorondrano fa amin’ny 18 janoary 2018 izao no hanatanterahana fifidianana ny ho filoha vaovao hitantana ny Analamanga rugby hasolo an-dRavelojaona Andry La Pie. Efa tafantsangana ankehitriny ny komity hikarakara ny fifidianana.

                                                                        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT