Sport

Baolina kiatra - CHAN 2023 Ao anatin’ny vondrona maozatra ny Barea


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Tafalatsaka anatin’ny Vondrona maozatra ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny CHAN (Championnat d’Afrique des Nations) hatao any Algérie amin’io taona ho avy io.

Fandraisana anjara voalohany ho antsika io. Tafiaraka amin’i Maroc izay tompondaka tamin’ny andiany roa farany, voasokajy ho “favori” ao anatin’ny Vondrona misy antsika sy ny fifaninanan’ny CHAN mihitsy. Iray vondrona amintsika ihany koa i Ghana izay tompondaka tamin’ny 2009 ary nanao ny lalao manasa-dàlana tamin’ny 2014. Ekipa fahatelo iray vondrona amintsika i Soudan, izay tsy azo hamaivanina ihany koa satria fahatelo izy tamin’ny CHAN 2018. Naneho tamin’ny fampahalalam-baovao iray ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô taorian’ny antsapaka fa tafiditra ao anatin’ny “Groupe de la mort” tokoa isika satria tena manatombo ara-taratasy i Maroc sy Ghana, ary tena firenen’ny baolina kitra. Handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany,… Ny firenena roa voalohany tsara isa indrindra ao anaty vondrona moa no miakatra amin’ny ampahefa-dàlana. Na izany aza, naneho ny mpanazatra fa tsy hitsangatsangana sy hiala sasatra no haleha any Algérie, fa hiady mafy. Mananteena ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana mba ahafahana tena miatrika ny fifaninanana. Tsy misy ny voasoratra mialohan’ny fotoana ho an’ny baolina kitra fa tena hanomana ary hiady mafy, ary hifampidinika amin’ny federasionina sy ny tale teknika nasionaly amin’ny tokony hatao rehetra, raha ny nambaran’ny mpanazatra Rôrô.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT