Bandy Akama Randrianabo

«Tena tsy afa-miala amina mpanazatra vahiny aloha ny Barea»


  • Zoma 06 Desambra 2024

Tena mbola misy azo antenaina iakarana any amin’ny amboara erantany ho an’ny baolina kitra ny ekipam-pirenena

malagasy na ny Barea, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Bandy Akama Randrianabo. Ny zava-misy, hoy izy, dia saika efa ireo lalao miverina hiaonana amin’ireo ekipa vaventy avokoa no hihaonantsika. Efa tsy eo Mahamasina isika no mandray an’i Ghana. Ny fihaonana in-droa miantoana amin’i Centrafrique dia mbola azo atao tsara ny maka isa 6 ao anatin’izany, ny fihaonana amin’i Kaomoro na dia atao hoe efa any aminy aza ny lalao miverina, ny fihaonana amin’i Tchad. Tombondahiny ho antsika daholo amin’ity «Mondial 2026» ity izany rehetra izany. Hatrany am-boalohany aho no efa niteny fa ny amboara eran-tany no misy ho antenaina kokoa mitaha amin’ny amboaran’i Afrika na CAN. Niarahantsika nahita moa iny ny niafaran’ny CAN. Manana andraikitra lehibe izay mpanazatra vaovao hoavy eo hijery izay mpilalao tena vonon-kiady mahafehy izay lenta na «niveau» amin’ny amboara eran-tany izay satria izany no ilaina miatrika an’io. Mazava ho azy fa tena tsy afa-miala amina mpanazatra vahiny aloha ny Barea. Tsy sanatria fanambaniana mpanazatra malagasy fa ny mpanazatrantsika eto Madagasikara tsy manana intsony ilay lenta na «niveau» an’ny mpanazatra voalohany amin’ny ekipam-pirenena, izany hoe, ilay ataontsika hoe «Licence A». Raha ireo zokibe raiamandreny manana izany «Licence A» izany no resahina nefa dia efa saika tsy am-perinasa intsony ny ankamaroany. Tsy misy intsony ilay fanavaozana dia efa be dia be izany ny fahataràna ao anatin’izay fivoaran’ny tontolon’ny baolina kitra izay. Mandra-pahatonga ireo zandrikely vaovao dia tsy maintsy mirona amina fakàna mpanazatra vahiny aloha isika. Tsy maintsy miantehitra ihany koa aloha amin’ny atao hoe «naturalisation» na fampiofoana sy ny mpila ravinahitra na «expatrie» handrafitra ny ekipam-pirenena. Ny tsy mbola fitombonan’ny ekipam-pirenentsika izay tena andraikitra goavana miandry ny federasionina ny hoe fanamboarana ny fifaninanam-pirenena amin’ny ambaratonga rehetra mihitsy dia mila jerena izay zavatra izay raha tena tiantsika ny hiarina sy hanana hoavy tsara amin’izay amboara eran-tany izany. Somary mirona kokoa amin’ilay portogey hoe Toni Da Silva ny tenako, raha mandinika ny lalana efa nodiavin’io tekinisianina io. Eo ny fahafantarany ny baolina kitra malagasy aloha, voalohany indrindra. Tekinisianina indray nihira na «promotion» tamina andrarezina maro toa an-dry Pep Guardiola, Roberto Baggio, Steffano Cusin, io mpanazatra an’i Kaomoro io koa izy. Manana mpilalao azo ho entina tsara anatin’izany Barea A izany koa io tekinisianina portogey io. Io izany, raha izao no manome sosokevitra, no sosokevitra omeko ny federasionina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT