Sport

Ballon D’or Afrikanina Hifaninana amin-dry Sadio Mané sy Mohamed Salah i Carolus


  • Talata 07 Janoary 2020

Anio alina no ho fantatra any Egypta izay mpilalao kitra afrikanina mendrika indrindra, sokajy lehilahy, senior, na “Ballon d’or africain” tamin’iny taona 2019.

 

 

Mbola tsy fantatra mazava moa ny ora higadonan’izay anarana tokana hanan-tantara izay saingy efa fantatra omaly kosa ny lisitr’ireo mpilalao 30 mirahalahy mety hisalotra io anaram-boninahitra io. Tafiditra ao anatin’ireo nofidiana tamin’izany ny anaran’ny lohalaharan’ny klioba divizionina voalohany ao Arabia saodita, El Adhal, Carolus Andriamahitsinoro na Carolus Andrea. Teratany no sady mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy na Barean’i Madagasikara ihany koa ny tenany. Na dia sambany aza no nisy teratany Malagasy nofidiana hahazo ity anaram-boninahitra ity dia azo lazaina ho marika goavana amin’ny fandrosoan’ny baolina kitra Malagasy izany.  ilay alzerianina, Mahrez, sy ilay senegaley, Sadio Mane, ary ilay ejipsianina, Mohamed Salah kosa no anarana azo lazaina ho kalaza indrindra ary tombanan’ny mpanara-baovao hahazo izay Ballon d’or afrikanina izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT