Sport

Ballon d’or 2021 Karim Benzema no safidin’ny Malagasy


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

\Isan’ny nanana solontena tamin’ireo mpanao Gazety miisa 180 maneran-tany nomena andraikitra hifidy izay ho mpilalao mendrika indrindra na “Ballon d'or” tamin'ity taona 2021 ity isika Malagasy.

 Ny mpanao gazetin'ny gazety an-tsoratra, Midi Madagasikara, Clément Rabary, moa no niantsoroka izany tamin’ity taona ity. Nofidiany ho mendrika indrindra, ilay mpilalao Frantsay, Karim Benzema. Faharoa ilay portogey, Cristiano Ronaldo. Fahatelo ilay italianina, Giorgio Chiellini. Ilay avokavoky ny ekipam-pirenena belza, Kevin De Bruyne no fahaefatra ary ilay poloney, Robert Lewandowski kosa no nomeny ny laharana fahadimy. Tsy tao anatin’ny kajin’ity mpanao gazety ity mihitsy, araka izany, ilay lohalaharan’i Arzantinina malaza, Lionel Messi, izay tena nandrombaka ny amboara. Rehefa nohadihadiana moa ny ankamaroan’ireo mpankafy kitra Malagasy dia tsy nisy nahita ny antony mbola tokony hisaloran’i Leo izany anaram-boninahitra izany fanimpitony indray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT