Sport

« Ballon d'or » Afrikanina 2017 Ho fantatra anio


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Hivoaka anio 04 janoary any Accra, Renivohitr’i Ghana ny anaran’ny mpialalao baolina kitra Afrikanina mendrika ho an’ny taona 2017 na ilay antsoina hoe "Ballon d'or africain 2017", handimby an’ilay teratany Alzerianina Ryiad Mahrez nahazo io amboara io ny taona 2016.

Mpilalao miisa 3 malaza sy misongadina any Eoropa no voasafidin’ny Kaonfederasionina Afrikanina na ny CAF hiady farany io anaram-boninahitra io, dia ilay teratany Gaboney Pierre-Emerick Aubameyang 28 taona, izay efa nahazo efa izany anaram-boninahitra izany ny taona 2015. Mpilalaon’ny Borrusia Dortmund any Alemaina izy, ary mpamono baolina be indrindra tao anatin’ny Bundesliga ny taom-pilalaovana teo, ka 13 ny baolina matiny, raha to aka 94, ka efa nahatratra 97 ny baolina efa matiny hatramin’ny nilalaovina tao anatin’ny Bundesliga. Eo ihany koa ilay mpilalao Ejipsianina Mohammed Salah, 25 taona, mpilalaon’ny Liverpool any Angleterre, izay vao efa voafidy ho mpilalao Afrikanina mendrika indrindra tamin'ity 2017 ity, tamin'ny alalan'ny ny fakan-kevitry ny haino aman-jery BBC na ny “BBC African Footballer of the Year”. Vao ny 01 janoary teo ihany koa izy no voasafidin'ny fikambanan'ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Arabo ho mpilalao baolina kitra Arabo mendrika indrindra tamin'iny taona 2017 iny ihany koa izy. Mpamono baolina faharoa ao amin’ny “Premier Ligue” any Angletera izy, izay nahatafiditra 17, raha toa ka 18 ny an’ny laharana voalohany dia i Harry Kane, mpilalaon’ny Tottenham. Mbola mpilalaon’ny Liverpool ihany koa ny fahatelo mifaninana hahazo io anaram-boninahitra ho mpilalao mendrika Afrikanina dia ilay Senegaley Sadio Mané, izay namono baolina 5 tao anatin’ny kliobany tao anatin’ny lalao 14 nataony ho an’ny taom-pilalaovana teo.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT