Sport

Badmiton Malagasy Miandry toa ny rehetra ihany


  • Zoma 15 Mey 2020

Na dia azo ambara fa taranja tsy dia misy fifampikasoan’ny mpifandrina mivantana aza ny lalao Badminton, hoy ny filohan’ny Federsiona Malagasy amin’ity taranja ity, Jean Aimé Mota Ravalison,

dia miandry toa ny rehetra amin’ny tokony hiverenana an-kianja indray izahay. Ireo mpilalao kosa anefa dia hamporisihana hikarakara tsara ny fitaovana ananany amin’izao fihiboana an-tokantrano izao, hoy izy, ka novatsianay Federasiona tady manokana fanamboarana “raquette” izy ireo hanamboarany an’izany any amin’izy ireo any ary dia nentanina hanao fanazaran-tena ho azy ireo samy irery ihany koa mandra-pisokatry ny fifaninanana indray. Eo amin’izay fiverenan’ny fifaninana aorian’ny ady atao amin’ny covid-19 izay , hoy Atoa Ravalison Mota, dia fantatra fa ho henjakenjana ny fifaninana hiadiana kianja hilalaovana noho ireo federasion’ny taranja fanatanjahantena rehetra samy mbola tsy nahavita ny fifaninanam-pirenenany avy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT