Sport

Badminton – Meeting International Hikarakara fifaninanana iraisam-pirenena ny Baobad


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Vao telo taona nisiana ny klioba Baobad eny amin’ny Slita Tanjombato nefa efa mihetsiketsika fatratra ary hikarakara « Meeting International ». Ny 16-17 oktobra izao no hanaovana io fifaninanana io eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

 

 Mpilalao avy amina firenena vitsivitsy no andrasana handray anjara amin’ny fifaninanana, sivy avy amin’ny BC St Paul la Réunion, telo avy any Maorisy ary iray avy ny avy any Frantsa sy Japon.  Mifanindran-dalana amin’izao hetsika izao ny tetikasa « 1000 raket » miaraka amin’ny Solibad izay ivondronan’ny klioba Baobad amin’ny BC St Paul sy ny Juvibad any Montpellier Frantsa, izay fanangonana fitaovana samihafa ahafahana manampy klioba sy sekoly eto amintsika ka ireo eny amin’ny faritra manodidina an’i Tanjombato no nanombohana izany. Maro karazana ireo fitaovana ireo toy ny raketra an-jatony, kitapo, kiraro, harato am-polony, baolina … Nanjifa voalohany izany fitaovana izany ny sekoly Radama eny Tanjomabato izay natolotry ny delegasionan’ny BC St Paul omaly ihany. Akoatra ny hetsika fanampiana ireo sekoly dia manararaotra manao fizahantany koa ireo vahiny ireto ka Andasibe no voalahatra anaty fandaharam-potoana notsidihin’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT