Sport

Badminton –Meeting Inter Nanao pao-droa i Haja Marc


  • Talata 20 Oktobra 2015

Nahatratra 52 ireo mpilalao nandray anjara tamin’ilay « Meeting International » tamin’ny badminton natao teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.­

Nanjakan’ny Malagasy tanteraka ny fifaninanana. Nandrombaka ny amboaran’ny sokajy A olon-tokana lehilahy i Haja Marc – Sangasy ka lavony teo amin’ny famaranana i Hery Zo - Antsirabe tamin’ny seta 2-0. Lasan’i Soaniaina - SC Itaosy kosa ny vehivavy ka resiny tamin’ny famaranana tamin’ny seta 2-0 i Voahangy - Baobad. Vokatra tamin’ny famaranan’ny olon-droa lehilahy, Eugelot sy Gael avy any Toamasina nampiondrika an’i Haja sy Lanto (Sangasy-Asut) seta 2-0. Teo amin’ny olon-droa vehivavy kosa i Sahondra/Voahangy (Baobad) nanilika an’i Soaniaina sy Hanitra (SC Itaosy) seta 2-0. Lasan’i Haja Marc sy Sahondra (Sangasy-Baobad) indray koa ny olon-droa lahy sy vavy miaraka lavony tamin’ny famaranana i Soaniaina/­Tsihoarana (SCI) seta 2-0 ihany. Nanao pao-droa, araka izany, i Haja izay nahazo ny olon-tokana sy ny olon-droa lahy sy vavy miaraka. Vokatra tamin’ny sokajy B kosa, tompondakan’ny lehilahy i Heritiana ST Jo izay nampiondrika an’i Zo Antsirabe seta 2-0. Klioba dimy avy eto Antananarivo dia ny Baobad BC mpikarakara, Sporting Club Itaosy, Saint Joseph Mahamasina, Sangasy BC, Antsirabe BC, niampy ny avy any Toamasina sy Antsirabe ary ireo avy any Frantsa, la Réunion, maorisy ary japon no niatrika ity fifaninanana ity.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT