Sport

Badminton Malagasy Nifarana ny fiofanana mpanazatra « niveau I » andiany faha-2


  • Talata 13 Novambra 2018

Nifarana omaly alatsinainy tetsy amin’ny “petite salle” ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny fanaovan’izy 7

 

 

mianadahy nanaraka an’izany hatramin’ny farany fitsapam-pahaizana mety hahazoana ny gradin’ny mpanazatra “niveau I” ny fampiofanana andiany faharoa nomena ireo mpanazatra Malagasy nokarakarain’ny Federasion’ny Badminton Malagasy ary notarihan’ilay manampahaizana Maorisianina avy amin’ny BWF « Federasiona Iraisam-pirenen’ny Badminton », Atoa Annirao Dajee, nandritra ny herinandro katroka (5-12 novambra 2018). Tsy niatrika an’ity fanadinana ity ny mpiofana iray faha-8 izay nolazoan’ny aretina tampoka. Nomarihan’ny filohan’ny Federasion’ny Badminton Malagasy am-perinasa, Ravalison Jean Aimé, tamin’izany fa amin’ny taona ho avy, 2019, vao ho fantatra ny valin’ny fanadinana natao omaly alatsinainy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT