Sport

Badminton – Lalaon’ny Nosy Misy fifaninanana voatery hajanona


  • Alarobia 17 Jona 2015

Nihena lasa telo lahy sy telo vavy sisa no hiaro ny voninahim-prenena raha tokony ho efatra avy. Ao anatin’ny fampivondronana faharoa fanomanana ny Lalaon’ny Nosy izao izy ireo (1-30 jona) etsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ireto avy ireo telo lahy: Haja Vonjinirina Marc Alberto, Tolotra Vonjinirina Marc Edward ary Rakotoarinirina Herizo



. Tokony ho mpilalao faha-4 moa Rakotovao Andriamamisoa Tahiry. Ireto avy kosa ireo telo vavy: Razanamaly Soaniaina Tombontsoako, Raoelinarivo Annie Karenah ary Ramanandraisoa Sahondra Nirina. Tokony ho mpilalao fah-4 kosa Ramantenasoa Lea. Ny tale teknika nasionaly, Aina Vonjirina Marc Jocelyn moa dia sady lasa mpilalao fah-4 ho an’ny lehilahy mba ahafahana miatrika ny fifaninanana isan-tarika izay isan’ny ahafahana mikatsaka medaly. Tsiahivina aloha fa tsy nahazo medaly mihitsy ny badminiton tamin’ny Lalaon’ny farany tany Seisela. Sokajy maro no hifaninanana ka isan’izany ny olontokana lahy sy vavy, ny olondroa lahy sy vavy ary ny olondroa lahy sy vavy miaraka. Ankoatra ireo ny isan-tarika lahy sy vavy. Tsy afaka hiatrika azy io izany ny ekipa vehivavy satria tsy ampy isa.“Efa lasa lavitra ny fanomanan-tena satria efa hatramin’ny 2011 no nanombohana izany ary nisy mihitsy ireo mpilalao nianto-tena niatrika fifaninanana iraisampirenena hanatevenana ny traikefa” araka ny fanamarihan’ny DTN Aina. Ny lafiny taktika sy ireo kipisony farany izao no hamafisina hoy ihany izy.“Mandringa ary ady gasy ny fitaovana fanomanan-tena. Olana be ny baolina izay mbola plastika fa tsy volon’akoho fampiasa amin’ny fifaninanana nefa samihafa be ireo. Ny kiraro efa simba daholo, toy izany koa ny tadin’ny raketra satria tena mafy ny fanazarantena ary efa tokony hizatra ireo fitaovana ireo anefa” hoy hatrany ny tale teknika nasionaly.

Rasanda Serge

Aina Vonjirina Marc Jocelyn, tale teknika nasionaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT