Sport

Badminton – Lalaon’ny Nosy Hiady mafy mba hahazo medaly ny ekipam-pirenena


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Tonga nitsidika ny ekipa nasionaly nanao fanazarantena teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano­ ary nanolotra fitaovana omaly ny minisitry ny asa,

 

 fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa, Ramanantsoa Ramarcel Benjamina, mpiahy ny badminton. Nitso-drano sy nitondra teny fankaherezana ny ministra, “tsy mahay ity taranja ity ny tenako, … taranja izay sokajiana ho tsy dia antenaina hitondra medaly… Tsy misy izany hifaninana ka hiaiky mialoha fa tsy havita zavatra tsara izany, indrindra rehefa mitondra ny fanevam-pirenena. Koa manantena ny tenako mba hodisoinareo izany fanasokajiana anareo izany. Olombelona samy nomen’Andriamanitra hery sy tanjaka no mifaninana” hoy izy.

Fitaovana…vokatra
Fitaovana maro novidiana tany Maorisy no natolotr’ity minisitra mpiahy ity toy ny baolina volomborona fampiasa amin’ny fifaninanana folo boaty izay misy 12 avy ao anatiny, tadin-draketra miisa 15, kiraro fampiasa manokana amin’ny fifaninanana. Ankoatra ireo dia nisy koa ireo otrikaina manome hery hiatrehana ny fanazarantena mafy. Mbola nanolotra olona an-tsitrapo koa ny minisitera hanomana ara-tsaina dia Ranarivelo Michel sy hanaramaso ny sakafo tena ilaina amin’ny fanomanantena dia ny Dr Djivadjee Patricia.

Hiady mafy
“Sarotra no miandry satria efa avo lenta ireo mpifanandrina amin’ity Lalaon’ny nosy ity. Hiady sy hanao fanamby kosa anefa izahay haka medaly sady mba mihaona amin’ireo sangany hampiakarana ny haavo teknika” araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ravalison Jean Aime “Mota”. Mpilalao valo moa no voatazona farany manaraka ny fampivondronana fan-4 izao .

ahitana an’i Haja Vonjinirina Marc Alberto, Rakotoharinivo Hery Zo, Tolotra Vonjinirina Marc Edouard, Aina Vonjinirina Marc Jocelyn sady tale teknika nasionaly ireo lehilahy ary Razanamaly Soaniaina Tombontsoako, Raoelinarivo Annie Karenah, Ramanandraisoa Sahondra Nirina, Ramanantenasoa Hanitriniaina Lea kosa ireo vehivavy. Mpitsara kosa Rakotovao Andoniaina.


Rasanda Serge


Ny ekipa nasionaly nandray ny fampitaovana avy amin’ny minisitra mpiahy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT