Sport

Badminton – Fanokafana taom-pilalaovana Tsy nahatohitra an’i Haja Vonjinirina i Aina DTN


  • Talata 21 Aprily 2015

Nihemotra fanintelony vao raikitra noho ny fisongonan’ny hafa amin’ny fampiasana ny lapan’ny fanatanjahantena ity fifaninanana ity. Nahatratra 186 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovan’ny federasiona malagasin’ny badminton nahitana ny avy any

Vakinankaratra, Atsinanana ary ny eto Analamanga. Adin’ny samy mpilalaon’ny Sangasy ny famaranan’ny olon-tokana lehilahy sokajy A ka i Haja Vonjinirina Marc Alberto nandresy an’i Aina Vonjinirina Marc Jocelyn, tale teknika nasionaly (21/16, 21/8). Lasan-dRazanamaly Soaniaina (SCI) kosa ny vehivavy ka Raoelinirina Anny (Asut) no resiny tamin’ny famaranana (21/17, 21/12). Teo amin’ny sokajy B lehilahy, i Christian (Asut) nanilika an’i Anjaratiana Fano avy amin’ny Baobad (21/9, 21/7) ary ny vehivavy Zafindravao Hanitra (SCI) nanintsana an’i Grand Didier Estelle (Baobad) 21/15, 21/13. Teo amin’ny lehilahy sokajy C, Robena (SCI) nandresy an-dRajaonarimalala Henintsoa (VTTK Ivato) 21/18, 22/20. Mikasika ny fanomanana ny lalaon’ny nosy dia mpilalao efatra avy lahy sy vavy no anjaran’ny badminton araka ny toromariky ny minisitera ka hanomboka anio alatsinainy ny fampivondronana fah-2. Mbola hisy fifaninanana iraisam-pirenena roa tafiditra amin’ny fanomanantenantsika malagasy dia ny “Tournoi de la Réunion” ny 7-10 mey sy ny “Internationaux de Maurice” ny 11-17 jona.

Rasanda Serge


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT