Sport

Auguste Raux Naiditra hopitaly fa voan’ny AVC


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Noho ny tsy fahasalamana tampoka nahazo azy (AVC) dia nampidirina eny amin'ny Hopitaly Soavinandriana i Maitre Raux Auguste, izay mpanazatra mpanampy an'i Nicolas Dupuis nandritra ny CAN 2019.

 

 

Nitana ekipa divizionina voalohany malagasy maro ihany koa ny tenany. Isan’ireny ny USJF Ravinala ,ny AS Adema , Elgeco Plus sy ny maro hafa. Raha ny fanampim-baovao voaray dia noho ny fahatairana tampoka no nitarika ny fahatapahan’ny lalan-dra any amin’ny loha (AVC) izay efa nanomboka nikiky azy taona vitsy lasa izay no anton'izao fampidirana azy hopitaly izao.Tsy nahatsiaro tena izy teo am-pahatongavana teny amin’ny hopitaly, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Isan’ny naneho firaisam-po sy fankaherezana ity namany ity moa ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, raha vao nahare izao vaovao izao. Tsiahivina fa ny volana may 2019 izy no nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea. Mifankahafantatra tsara amin` I Nicolas Dupuis izy ary niara-dia taminy tany Egypta, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan` I Afrika “CAN 2019”farany teo. Ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fahasalamana feno ho an` i Maitre Raux Auguste amin` izao aretina mianjady aminy izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT