Sport

Atrikasa akademika AISS-CNaPS Hitarina ny sokajin’olona homena fiahiana ara-tsosialy


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

I Madagasikara no mampiantrano ny atrikasa akademikan’ny AISS (Association Internationale de la Sécurité Sociale) ka etsy amin’ny foibe CNaPS Ampefiloha no nanatanterahana izany nanomboka omaly alarobia 24

 

 

 

ary tsy hifarana raha tsy amin’ny zoma 26 aprily ho avy izao. Firenena 17 mpikambana eo anivon’ny AISS aty Afrika Andrefana no mandray anjara amin’izany.  Ny 80%-n’ny mponina aty Afrika no tsy manana fiahiana ara-tsosialy na dia eo aza ny fanambarana manerantany momba ny Zon’olombelona izay milaza fa mendrika hanana zo ara-tsosialy ny vahoaka. Hatreto mantsy dia ny mpiasa mpikarama isam-bolana amin’ny  sehatra tsy miankina sy ny amin’ny fanjakana ihany no manana fiahiana ara-tsosialy. Misy aza ireo no tsy voasoratra ara-dalàna ny ampahany fa very zo avokoa ny ambiny. Ao ny mpiasa tena sy ny tantsaha mpamokatra. Izay indrindra no nahatonga ny fikambanana iraisam-pirenena na ny AISS (Association Internationale de la Sécurité Sociale) nikarakara ity atrikasa akademika eto amin’ny foiben’ny CNaPS ity entina indrindra itadiavana vahaolana mba hahafahana manitatra ireo olona misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Nanotrona ny fanokafana ny atrikasa tamin’ny fomba ofisialy omaly Ramatoa tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny minisiteran’ny asa, ny fampananana asa ary ny lalàna sosialy. Nambaran-dRamatoa Tsaboto Joslina tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny CNaPS kosa fa « mandray ny fivoriana no anjarantsika Malagasy fa ny AISS no namolavola ny fivoriana izay atao eto amin’ny CNaPS ifampizarana traikefa, ny fahaiza-

manao sy ny lalana izorana ahafahana mampivoatra ny fiahiana ara-tsosialy ary ahafahana manitatra ireo sokajin’olona sahanina izay tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy». Nampahatsiahivin’Andriamatoa BAMBA Amed “officier de liaison de l’AISS”  aty Afrika Andrefana fa ny « AISS dia rantsamangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy eto amin’izao tontolo izao. Ahitana firenena mpikambana 158 ary anisan’izany i Madagasikara ». Tanjona, hoy izy  ny hanome vahaolana administrativa ireo orinasa mikarakara ny fiahiana ara-tsosialy mba handray an-tanana tsaratsara kokoa ny olona sahanina sy ireo tsy mbola ao anatiny ». Ho an’i Madagasikara manokana dia efa tafiditra anatin’ny tetibolan’ny CNaPS ny taona 2018 -2022 ny fametrahana rafitra fisotroan-dronono ho an’ny tantsaha mpamokatra. Ary amin’ity taona ity dia mankalaza ny faha-50 taonan’ny rafitra fisotroan-drononon’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Mpikambana maharitra eo  anivon’ny AISS i Madagasikara amin’ny alalan’ny CNaPS. Miisa 26 moa ireo mpandray anjara mikaon-doha eto amin’ny foibe CNaPS Ampefiloha, ary nahatongavana solontena avokoa ireo firenena 17 eo anivon’ny AISS aty Afrika Andrefana.

 

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT