Sport

Atoa Adama « Directeur du Rugby Africain Fancophone » Nahita ny zava-nisy teny amin’ny Makis Andohatapenaka


  • Talata 11 Febroary 2020

Nanotrona hatramin’ny farany ny lalao fiadiana ny ho tompondakan’ny Gold Top 20-2019 nifanandrinan’ny Cosfa sy Tfa

 

 

 

Anatihazo teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka Atoa Adama  « Directeur du Rugby Africain Fancophone » sady mpampiofana rugby iraisam-pirenena avy amin’ny World Rugby rahateo ka nahita imaso ny zava-nisy teny an-toerana eo amin’ny tontolon’ny rugby Malagasy tamin’io fotoana io. Nambarany teny an-toerana tamin’ny fiafaran’ny lalao fa “nahafinaritra tamin’ny ankapobeny ny fizotr’iny lalao famaranana iny fa tena samy naneho ny naha izy azy avokoa sy ny fahafehezana ny lalao rugby ny ekipa roa tonta. Tsapa fa tena niezaka mafy hatramin’ny farany ny Tfa, nefa nanao ny tsy ambinina ka akory hatao. Hitako avokoa ny zava-misy marina eo amin’ny tontolon’ny rugby Malagasy ka hanaovako tatitra any amin’ny World Rugby izany. Ny azoko ambara dia matoa nahafeno olona teto an-kianja toy ireny ny rugby Malagasy dia nisy ezaka fampandrosoana nataon’ny tompon’andraikitra mpitantana Malagasy tao”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT