Sport

Atletisme Rodorodon’Alaotra andiany voalohany I Hervé Patrick no nahery teo amin’ny Open 10 km


  • Talata 09 Jolay 2019

Fahombiazana tanteraka no azo hilazana ny hetsika Atletisma Rodorodon’Alaotra andiany voalohany nokarakarain’ny ligin’ny Atletisma any Alaotra Mangoro teo ambany fiahian’ny FMA

« Federasiona Malagasin’ny Atletisme » sy notohanan’ny orinasan-tseratsera Telma.  Tonga nankahery an’ireo Atleta nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity mihitsy ny filohan’ny FMA, Rtoa Norolalao Andriamahazo sy ny “Staff” teknikan’ny Federasiona  tarihany izay nankasitraka ireo atleta nandray anjara sy nisaotra ny vahoaka marobe tonga nanotrona.  Nahery fa tafavoaka voalohany teo amin’ny hazakazaka Open 10km “licencié” natao i  Hervé Patrick Ralaiharimanana  (Cosfa Alaotra Mangoro) nahavita an’io halaviran-dalana io tamin’ny fe-potoana 25’41” narahan’i Clément Ranahavitasoa (Sport-étude) 36’ 31’’ sy Elysé Rakotonindrina de (As Crown Vakinakaratra)  37’46. Teo amin’ny sokajy vehivavy “licencié) kosa teo amin’io 10 km manana “licence” io ihany dia  i Lynah Fanirimalala (Sport-etudes) no voalohany nahavita ny 10 km tamin’ny 35’01” narahan’i Franckly Raharimondine  (Sport-etudes) 3’08” sy Nandrianina Rasolomanandrariny (Lycée Espoir) 55’’19.

Teo amin’ny hazakazaka 10 km “non licencié”  lehilahy dia norombahin’i Soloniaina Nomenjanahary nahavita 41”56’ ny fandresena,  ary teo amin’ny vehivavy dia Razaharisoa Narindra 55’58”01 no nahery.

Teo  amin’ny « Relais inter-établissements » izay nandraisana toeram-pianarana 15 anjara dia ny mpianatry ny Lycée Ambatondrazaka no nitana ny laharana voalohany nahavita ny 3 km tamin’ny 10’17” narahan’ny CEG Ambandrika 10’35”55 sy ny Lrn  Ambatondrazaka 10’36”74.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT