Sport

Atletisma - Yves Souchaud « Manana olona mahavita azy ny Malagasy »


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Mandalo eto Madagasikara ilay mpanolotsaina frantsay niasa tao amin'ny federasiona malagasin’ny taranja fototra atletisma nandritry ny taona maro.

Nisotro ny ranon'Andranobe, avy aty Antsirabe i Béril vadiny, hany ka matetika mody eto Madagasikara. Manampahaizana momba ny atletisma i Yves Souchaud ary mirehareha fa nanofana teknisianina 450 nandritry ny enin-taona niasany teto. Tena tia ny atletisma malagasy ary tena nanompo. Nanaiky ny hanao jery todika niaraka taminay izy amin'ny maso tsy miangatra izy.
Tia Tanindrazana : Tena latsaka lalina ny taranja athletisma eto Madagasikara Misy tokony hatao ve habarenana izany !
Yves Souchaud : "Tsy dia azoko veroka aloha ny antony fa amin'ny saina tsy miangatra no hilazako fa tokony miala daholo aloha ireo mpitarika amin'izao satria mivaona amin'ny tokony ho izy ny athletisma eto Madagasikara. Ny mampalahelo anefa dia ny fahafantarana fa manana olona mahay ianareo raha tsy hiteny afatsy Prosper Rajaonarison sy Aube Marius avy any Ambatondrazaka Ary fahafehezana sy fitiavana ilay taranja dia mbola azoko lazaina koa i Désiré avy any Arivonimamo. Manana olona mahavita azy raha resaka athletisma i Madagasikara ary manana ireo efa fantatra eran-tany toa an'i Jean Louis Ravelomantsoa (100m) sy Marc Rabemila (viky telo). Tsy adino koa Tovondray Fernand (viky miakatra).
TT: Inona izany no tokony hatao ?
Y.S. : " Raha sahala amiko aloha dia tsy dia ilaina loatra ieany hoe mandeha miofana any Kenya st Dakar eny na any Chine aza satria manana olona afaka hampiofaba tsara i Madagasikara. Ny tokony hatao dia ny manohana arz-tsakafo ireo atleta sy ireo mpampiofana satria izay no tena tsy ampy. Ahoana tokoa moa no hanomezan'ny ankizy ny tena mafy mandritra ny fanazarantena raha tsy misafo akory izy.
TT : Ka tokony ho hita ny fitondrana anie izany noho i Rosa Rakotozafy ilay tompon-daka teo amin'ny hazakazaka 100 m misy fefy efa Tale Jeneralin'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena amin'izao
Y.S. : "Tsy haiko aloha fa ny fahafantarako an'i Rosa dia tsy nandalina na ny fampiofanana fotsiny aza. Raha ny tokony ho izy dia tokony hanao ny ezaka rehetra izy ny mba hisian'ny fifaninanana manerana an'i Madagasikara ary mametraka teknisianina any fa izay ihany no lalan-tokana makany amin'ny fandrosoana. Jereo ange ny Etiopianina na ry zareo Kenya fa tsy mila toerana syntetika hiazakazahana nefa tompony eo amin'ny hazakazaka lavitra ezaka. Misy mitondra fotsiny ny atleta iray izay tohanan'ny fanjakana dia izay. Tsy misy fahagagana io Tsotra ny lesona, omeo toerana ireo teknisianina efa za-draharaha dia handeha io.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT