Ny ekipan’ny Gst “Groupe Siteny Toliara” sy ny ligin’Atsimo Andrefana no nisongadina teo amin’ny fahazoana medaly betsaka
indrindra tamin’ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2019 taranja atletisma sokajy tanora izay notontosaina teto Antanananarivo ny 05-09 jona 2019 lasa teo.
Filaharana isaky ny ligim-paritany : 1°-Atsimo Andrefana : 57 (33-19-5-) ; 2°- Analamanga 36 (14-8-14) ; 3°-Atsinanana 26 (9-7-10) ; 4°-Vakinankaratra 29 (5-10-14) ; 5°- Amoron’i Mania 17 (5-6-6) ; 6°-DIANA 15 (5-5-5) ; 7-Anosy 16 (4-7-5) ; 8°-Manakara 10 (4-4-2) ; 9°- Alaotra Mangoro 15 (3-6-6) ; 10°-Bongolava 10 (3-4-3) ; 11° -Haute Matsiatra 4 (1-1-2) ; 12e°-Itasy 1 (1-0-0) ; 13°-Ihorombe 5 (0-3-2) ; 14°-Boeny 2(0-1-1) Sections ; 14° ex -Antsohihy 2 (0-1-1) ; 16°Farafangana 0 (0-0-0)
Filaharana isaky ny klioba nandray anjara : 1°-GST 32 (19-13-0) ; 2°-Apnato 15 (9-5-1) ; 3e : Ascut 23 (8-7-8) ; 4 °-ABCA 16 (5-7-4) ; 5°-HTTA 15 (5-5-5) ; 6°-TAF 19 (5-2-2) ; 7°ASAF Anosy 16 (4-7-5) ; 8°-ACM 10 (4-4-2) ; 9°-3FB Analamanga 8(4-1-3) ; 10°-CCA 12 (3-4-5)
Ireo mpilalao mendrika indrindra : U 18 Vehivavy-Ravaoarisoa Marie Rose (TAF Analamanga 100m) nahazo isa 936 ; U 18 Lehilahy-Damazy Andoniaina (ACM Manakara 200m) ; U 20 Vehivavy : Razanajafy Brigitte (TAF Analamanga 100m) nahazo isa 1600 ; U 20 Lehilahy : Razanakoto Fanomezana (ASJA Vakinankaratra Long) nahazo isa 962.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.