Sport

Atletisma Tompondakan’i Madagasikara 2019 Hifarana anio zoma ny an’ny sokajy « Toutes Catégories »


  • Zoma 31 Mey 2019

Atleta miisa 266 ao amin’ny klioba 37 avy amin’ny Faritra 12 dia i Atsinanana, Analamanga, Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro

 

 

, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra, Bongolava, Itasy, DIANA, Boeny Ihorombe, Amoron’i Mania niampy seksiona 3 dia i Farafangana sy Taolagnaro ary Manakara no mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2019 taranja atletisma sokajy « Toutes Catégories » nanomboka ny alarobia 29 mey teo etsy amin’ny kianjan’Alarobia ka hifarana anio zoma 31 mey 2019.  Harahana ao ny famaranana  viki-miakatra, fanipazana kapila sy lefona, vikin-dava, hazakazaka (5000m, 800m, 400m, 200m 110m misy fefy) manomboka amin’ny 08ora30 maraina ka hatramin’ny 04 ora10 tolakandro.  Hisy fanolorana medaly sy fanomezana avy amin’ny Telma hatrany eny an-tsefatsefam-potoana manontolo.

 Hatramin’ny omaly alakamisy 30 mey, andro faharoa, dia mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny ny atleta avy eto Analamanga nahazo medaly 36 (15 volamena, 12 volafotsy ary 9 alimo) arahin’Atsimo Andrefana nahazo medaly 10 (3 volamena, 4 volafotsy ary 3 alimo). Faha-3 kosa ny avy any Atsinanana nahazo medaly 10 ihany koa (2 volamena, 3 volavotsy ary 5 alimo)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT