Sport

Atletisma Tompondakan’i Madagasikara 2019 Anjaran’ny sokajy Tanora indray manomboka rahampitso


  • Talata 04 Jona 2019

Taorian’ny an’ny sokajy « Toutes Catégories » nifarana tamin’ny zoma 31 mey teo dia anjaran’ny atleta Malagasy sokajy tanora manerana ny nosy indray no miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ny

 

 

taranja fototra atletisma, etsy amin’ny kianjan’Alarobia Antananarivo, manomboka rahampitso alarobia 05 jona 2019 ka haharitra hateloana toy ny an’ny zokiny ihany koa. Atleta eo amin’ny 650 any ho any ho handrasana amin’ity hetsika ity ka efa hilalao amin’ny anaran’ny ligy vaovao misy azy amin’izay ireo atleta avy any amin’ny Faritr’i V7V sy Anosy  izay efa eto an-toerana.  Nomarihan-dRtoa Norolalao Andriamahazo filohan’ny FMA fa ho matotra tanteraka ny fanaraha-maso an’ireo alaim-panahy hangala-taona amin’ity fifaninanana ity fa hoe te hahazo medaly betsaka. Nomarihan’ity filoha ity ihany koa fa mahavelom-bolo ary tena mamporisika ny atleta Malagasy ny mbola haha-eo an’ireo mpanohana mahazatra ny taranja atletisma amin’ity fihaonana ity toy ny Telma, Eau vive, Socolait ary  ny Homéopharma.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT