Sport

Atletisma Tompondakan’i Madagasikara 2018 Mbola nanjakan’ny tanoran’Atsimo Andrefana indray


  • Talata 24 Jolay 2018

Mbola nanjakan’ireo tanoran’ny Faritra Atsimo Andrefana toy ny tamin’ny taon-dasa 2017 indray ny fifaninanana atletisma fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara latsaky ny 20 taona notontosaina teto Antananarivo ny 20,21 ary 22 jolay lasa teo.

Raha medaly 50 (16 volamena, 19 volafotsy ary 15 alimo) no azon’izy ireo tamin’ny 2017 dia niakatra ho medaly 61 (24 volamena, 23 volafotsy ary 14 alimo) tamin’ity 2018 ity. Ireo tanoran’Atsinanana (volamena 12, volafotsy 12 ary alimo 11) no nitana ny laharana faha-2 ary ny tanoran’Analamanga (volamena 8, volafotsy 15 ary alimo 19) no faha-3 tamin’ireo ligy 12 sy seksiona 3 nandray anjara. 547 ireo atleta Malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ary nahitana solontena avy atsy Comores nandray anjara koa (volafotsy 1 ary alimo 2). Ilay mpila ravinahitra avy any ivelany, Vatomanga Gardiner Rija U20 G tompondakan’ny 200m sy Faraharivony Victor U 18 G 400m avy any DIANA no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra,.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT