Sport

Atletisma – Tompondakan’i Madagasikara Nampamiratra an’Analamanga ny klioban’ny Cosfa, Cospn ary Cnaps


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Toy ireo andiany maro teo aloha dia mbola ny ligin’Analamanga hatrany no namiratra nandritra fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy zokiny natao teny amin’ny kianjan’Alarobia ny faran’ny herinandro teo

. Medaly volamena 25 sy volafotsy 18 ary alimo 13 no norombahan’ity ligy mpampiantrano ity. Lah-2 lavitra ny ligin’Atsinanana izay nahazo medaly volamena 6 sy volafotsy 9 ary alimo 3. Lah-3 i Atsimo andrefana izay nahazo volamena 4 sy volafotsy 6 ary alimo 9. Isan’ny tena nampamiratra an’Analamanga ny klioban’ny Cosfa izay nisalotra volamena 8 sy Cospn volamena 6 ary Cnaps nahazo volamena 5. Isan’ny klioba namiratra koa ny Ascut Atsinanan izay nandrombaka volamena 6. Voafidy ho atleta mendrika ho an’ny lehilahy Razanadrafomba Damien (Cospn-400m), Rabearison Franck (Taf-400m misy fefy) ary i Tadahy Tommy Harold (Ascut-100m). Atleta mendrika vehivavy kosa i Embony Elodie Vanessa (Cnaps-100m), Razanamalala Olga (Cospn-400m misy fefy) ary i Fanjaliana (Cosrm 52-400m). Tamin’ny ankapobeny dia ireo atleta ao anaty ekipam-pirenena hiatrika ny Lalaon’ny nosy no tena nisongadina ankoatry ny tamin’ny 3000m steeple vehivavy. Isan’ny atleta nisongadina koa Razafindrafara Nanie tamin’ny 10 000m ka angatahin’ny federasiona mba hampidirina ao anatin’ny ekipa nasionaly hanao Lalaon’ny nosy. Atleta 271 avy amina ligy 12 moa no nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasinaly ity. Nahavita ny fivoriambe fanaony isan-taona koa ny sabotsy teo ny federasiona malagasin’ny atletisma ka nanome fitokisana 100% ireo ligy 12 misy. Mbola maro moa ireo fifaninanana iraisampirenena ankoatry ny Lalaon’ny nosy toy ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Beijing manomboka ny 20 aogositra, ny Lalao afrikana any Congo Brazzaville amin’ny septambra, ny Marathon de Tana ny 11 oktobra ary ny Relais Marathon any la Reunion ny 11 novambra.

Rasanda Serge

Ireo sangany tamin’ny 100m vehivavy

Filaharana (medaly)

1-Analamanga (25/18/13)

2-Atsinanana (6/9/3)

3-Atsimo andrefana (4/6/9)

4-Diana (2/5/6)

5-Boeny (2/1/2)

6-Amoron’Imania (2/1/0)

7-Vakinankaratra (1/2/1)

8-Alaotra mangoro (0/0/3)

9-Bongolava (0/0/2)

10-Ihorombe (0/0/1)

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT