Sport

Atletisma – Tompondakan’i Afrika : Dimy mianadahy efa tafita ho any Nairobi


  • Zoma 26 Martsa 2010


Atleta Malagasy mpilara vinahitra dimy izao no efa nahavita ilay farafahakeliny takiana na ny “minima” ahafahana miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Nairobi Kenya ny 28 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra izao dia ilay mpanao décathlon atsy Maorisy Ali Kamé, Randriamihaja Berlioz (110m misy fefy) sy Ratsimbazafy Doris (maritoa) ary Saholinirina Eliane (1500m) samy any Frantsa ary Razanamalala Olga (400m misy fefy) atsy Maorisy. Mikasika manokana ity farany dia vao ny 13 martsa teo nahavitany io “minima” io tao amin’ny Stade de Réduit tao Maorisy ka 58.50 no fotoana vitany izay nahafahany nanatsara 1’’56/100 ny zava-bitany teo aloha. Vao nahazo mpanazatra vaovao, teratany zambianina Samuel Matete izay tompondaka eran-tany tany Tokyo (1991) moa ny tovovavy ka izay no heverina fa nisian’ny fivoarany haingana.  Isan’ireo atleta eto an-toerana afaka hanatevin-daharana ny delegasiona Malagasy hiatrika io fifaninanana kaontinantaly io koa moa ry Embony Elodie Vanessa (Ascut Toamasina), Tsaravola Dedy (TAF), Rabotovao Estelle (CAF Fianarantsoa) ary Rapitsaravolazandry Vaovao (Cospn) mpanao vikina in-telo miantoana.

Hery Rabe

Ireo atleta 5 sy ny minima
Anarana                                              Taranja           Zava-bita        Minima
-   ALI Kamé……………………… décathlon          7363 pts  ….    6960 pts
-   RANDRIAMIHAJA Berlioz.. 110m misy fefy     13.89     …..   14.24
-   RATSIMBAZAFY  Doris ……  Maritoa              53m     …..          48m
-   SAHOLINIRINA Eliane ……. 1500m                  4 :15.63   ….   4 :21
-   RAZANAMALALA Olga …..   400m misy fefy  58.50     ……    59.64

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT