Sport

Atletisma – Tompondakan’i Afrika “cadet” Raraka teo amin’ny manasa-dalana i Narindra sy Jany


  • Talata 28 Aprily 2015

Tsy nisy niakatra lapihazo ireo solontena malagasy telo mianadahy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy “cadet” tany Maorisy ny faran’ny herinandro teo.

 

 Ny roa tamin’ireo nihintsana teo amin’ny manasa-dalana dia Rafidimalala Narindra tamin’ny 100m zazalahy izay nahavita fotoana 11’’19 raha 11’’22 no vitany tamin’ny fifanintsanana. Lah-5 moa no nisy azy tamin’io fifaninanana io. Raraka teo amin’ny manasa-dalana ihany koa ary lah-6  i Hanitriniaina Mamitiana Jany tamin’ny 100m zazavavy (13’’35 ). Ratsiriniaina Clauthilde kosa dia raraka tamin’ny fifanintsanan’ny 3 000m. Nahavita nanatsara ny zava-bitany tsirairay kosa anefa izy ireo.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT