Sport

Atletisma – Tompondaka erantany Raraka fa afaka nanavao ny zava-bitany tsara indrindra i Eliane


  • Talata 25 Aogositra 2015

Teo amin’ny andiam-pifanintsanan­a voalohany dia raraka i Saholinirina Marie Eliane, ilay solontena malagasy tokana niatrika ny andiany fah-15 amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany andiany fah-15 izay atao any Beijing Chine (22-30 aogositra)


. Ny sabotsy tolakandro teo ity mpila ravinahitra avy amin’ny klioban’ny Sotte-ville any Frantsa ity no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny hazakazaka 1 500m ary izy no tafiditra farany tamin’io andiany nisy azy io. 4’19’’54 no fotoana vitan’ity solontena anisan’ny niatrika ny Lalao olimpikan’i Londres 2012 ity. Nahavita nanatsara ny fotoana tsara vitany kosa anefa i Eliane izay vao avy nandrombaka ny medaly volamenan’ny Lalaon’ny Nosy farany tany la Reunion teo. Nampitaraina an’i Eliane kosa ny hafanana migaingaina any amin’ity firenena nandray ny fifaninanana ity izay tsy nahafahany nanoatra loatra teo amin’ny vokatra.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT