Atletisma

Tena manavanana ny Malagasy ny 100 m misy fefy


  • Zoma 22 Martsa 2024

Nalaza toy ny mahazatra indray ny vehivavy Malagasy misehatra eo amin'ny 100 m misy fefy.

Vao ny alarobia teo izao nandritra ny Lalao Afrikanina tany Accra izay dia norombahan'i Sidonie Fiadanantsoa ny medaly volafotsy. Faharoa taorianan'ilay Nigeria, Tobi, izy ary 13 seg 19 no nahavitany izany. Voaporofo indray izany fa tena hain'ny Malagasy ity 100 m misy fefy ity. Talohan'io mantsy dia efa tompondakan'i Afrika indroa koa i Rosa Rakotozafy sady nahavita ny fotoana tsara indrindra 12 seg 84. Mbola tsara lavitra noho ireo anefa ny vitan'i Nicole Ramalalanirina izay tompondaka eran-tany teo amin'ny fanatanjahantena eny anivon'ny oniversite izay notontosaina tany Fukuoka raha medaly volafotsy izy nandritra ny fifaninanana tany Buffalo any Etazonia. Tsy nijanona teo anefa i Nicole Ramalalanirina fa niha nahay ihany ary dia lasa nizaka ny zom-pirenena frantsay izy. Efa tompondaka lefitra tany Frantsa izy ary tafita hatrany amin'ny famaranana ny Lalao Olimpika 2000 tany Sydney. Ny niangana anefa saika nitovy ihany satria raha i Justin Ramananoro no nitaiza an'i Rosa Rakotozafy tamin'io taranja io dia Jazy kosa ny an'i Nicole Ramalalanirina. Fehiny dia tena manavana ny atleta malagasy ity 100 m misy fefy ity fa tokony hojerena akaiky ny fomba hanohanana an'i Sidonie Fiadanantsoa. I Rosa Rakotozafy mantsy izao dia telo taona no tany amin'ny toerana fiofanana avo lenta tany Dakar ary izany aza no nahazoany ny sandan'ny lisansa (équivalence) nomen'i Maharante minisitry ny Asa tamin'ny fotoan'androny niaraka tamin'ny Tale Jeneralin'ny ANS Ampefiloha, Patrice Ranaivoson. Tena mahavelona izany ny fanaovana an'ity taranja ity fa mety ahazoana toerana ambony. Sady Tale Jeneraly mihitsy raha i Rosa Rakotozafy no jerena.
Clément RABARY
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT