Sport

Atletisma tany Tsiroanomandidy Efa vonombonona ny rehetra saika handray anjara


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Efa vonombonona nanoloarana ny lapan’ny tanànan’i Tsiroanomandidy avokoa, nanomboka tamin’ny 6 ora maraina tamin’ny sabotsy 21 martsa 2020 lasa teo,

 

 

ny altela sy ireo olona rehetra saika handray anjara tamin’ny hazakazaka rodobe “course de renouveau” andiany faha-24 sy ny “zumba” ary ny “relais pedestre” tokony ho notanterahina tany amin’ity toerana ity izay tokony hanokafana ihany koa ny taom-pilalaovana atletisma 2020 ho an’ny ligin’ny atletisma any Bongolava nefa noho ny didy avy amin’ny Filohan’ny Repoblika navoakany tamin’ny zoma 20 martsa 2020 lasa teo mandrara ny fanatanterahana an’ireo lalao ara-panatanjahantena manerana ny nosy noho ny fisian’ny tranga coronavirus dia voatery nofoanana koa izany hetsika saika natao tany Tsiroanomandidy izany. “Efa tany an-toerana nialohan’ny fanambarana heno ny tenako sy ny mpiara-miasa amiko ao amin’ny FMA “Federasion’ny Atletisma Malagasy”, hoy Rtoa Norolalao Andriamahazo filohany, ka nahita ny zava-nisy tany an-toerana dia ny fahatongavan’ireo olona nanoloarana ny tranompokonolona Tsiroanomandidy ny sabotsy 21 martsa nanomboka  tamin’io 6 ora maraina io. Nalahelo izy ireo noho izany nefa tsy nomena tsiny noho ny tsy fananany televisiona sy tsy fahenoany radio nahenoana ny vaovao, hoy ity filohan’ny FMA ity, ka voatery nohozaina mazava tamin’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny firenena nahatonga ny hetsika voatery nofoanana nefa dia nambara tamin’izy ireo koa fa tsy maintsy ho tontosaina ity hetsika ity rehefa mitsahatra ny fampiatoana vonjimaika navoakan’ny fitondram-panjakana”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT