Na dia efa nahavita hetsika hafa nanokafana ny taom-pilalaovana aza ny ekipan’ny seksiona Antananarivo renivohitra amin’ny taranja atletisma (SAAR) toy ny cross country dia ny alahady teo ny seksiona no nisantatra ny fifaninanana “sur piste” teny Alarobia.
Ny tapany voalohany ihany no tontosa ny alahady teo fa hatao ny 28 martsa izao kosa ny tapany faharoa ambiny. Efa tafiditra amin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona moa izao fifaninanana izao. Klioba sivy no nanana solontena ny alahady teo. Anisan’ny tena nandrasan’ny maro ny fifaninanana teo amin’ny 400m izay nahitana andiany roa ho an’ny senior lehilahy. Nahavita ny fotoana tsara indrindra tamin’izany Randrianasolo Rado (Cosfa: 49’’6), nanaraka azy i Tsimatipaosa Narcisse (Cospn: 50’’2) ary samy nahavita 50’’5 kosa i Bayante Houssein (3FB) sy Ratolojanahary Antsa Mahefa (3FB) ary i Fotomampionona (Cosfa). Ranaivo Ando (Ascut) kosa no voalohany teo amin’ny senior vehivavy (1’00’’0).
Nomarihin’ny tompon’andraikitra ara-teknikan’ny SAAR, Mahatana Jean de La Croix fa fanohizan-draharaha ihany izao ataon’izy ireo izao mandra-pahavitan’ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana. Ny 27 martsa izao no hanaovana io fifidianan’ny seksiona io. Anisan’ireo kandida efa fantatra fa hifaninana amin’izany Rakotombelontsoa Hubert, sangany fahiny tamin’ny 200m sy 400m misy fefy. Ny 24 aprily kosa ny datim-pifidianan’ireo ligy ary ny 22 mey ny an’ny federasiona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.