Atletisma

Nihena ny vokatra


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Nihena ny vokatra azon'ny atletisma tamin'ity indray mitoraka ity fa na izany aza nampihetsi-po ny zava-bitan'i Florentine Razazamandroso

izay nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra teo amin'ny vikin-dava raha nahavita 6 m 13. Efa tany amin'ny taona 1997 io zava-bitan'i Rampizafy Brigitte io dia izao vao maty. Fa raha resaka atletisma ihany tsy azo hodian-tsy hita ny nataon'ny mpananazatra Hanitra Rakotondrabe. Ny 9 amin'ireo medaly volamena 13 azontsika mantsy dia vokatra azon'ireo zaza nobeaziny daholo. Ny teo amin'ny vehivavy ohatra dia ny 100 m, 200 m, 400 m, 100 m misy fefy, 400 m misy fefy, ny 4x 100 m, ny 4x 400 m miampy ny 4x 400 m lehilahy sy ny 4x 100m mifangaro lahy sy vavy. Tena mafy izy izay efa tompondakan'i Madagasikara teo amin'ny 100 m no sady manana diplaoma ambony amin'ny maha mpananazatra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT