Sport

Atletisma – Marathon Ilay any La réunion ihany no handraisantsika anjara


  • Zoma 21 Mey 2010


Nahemotra amin’ny 5 septambra indray ilay fifaninanana Marathon international Orange tokony hatao any Maorisy ny 23 mey izao rehefa tsy nahazo fahazoan-dalana indray ny mpikarakara noho ny toe-draharaha misy any an-toerana. Araka ny nambaran’ny mpanazatra nasioalin’ny hazakazaka lavitrezaka, Mahatana Jean de La Croix dia tsy afaka handray anjara amin’io fifaninanana io isika Malagasy satria mifanindry amin’ny andro hanatanterahana ny Marathon international de Tanà io daty voatondro io. Nambaran’ity farany ary fa ilay fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny marathon hatao any La Réunion ny 6 jona izao izany no sisa handefasantsika solontena amin’ny alalan’ireo tompondakan’i Madagasikara farany tamin’ny semi marathon tany Mahajanga teo dia i Andriamparany Hajanirina sy Rasoarizay Clarisse. Raha ny hetsika akaiky indrindra ho an’ity taranja fototra ity moa dia ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana ny federasiona izay hatao etsy amin’ny Motel Anosy rahampitso.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT